« Retour au blog de seksilady

SAINO

Mambabo ny fanahy 'zay rehetra ataonao ahy
Tsy hoe inona na koa hoe ahoana
'Reo fakam-panahy, mahamay
Mandoro ka tsy tantinao avelao ho tsiny ihany
Tazoninao ny soa sy tsara tsy mety hanandratsy

Ho anao ihany (no hanoratako )
Ty soratra hitoetra (any aoriana)
Ny tenanao ihany ('zay no ambarako)
Fiainana manam-petra, Sainonao

Atao ny tsy hiteny! raha misy ny tsy mety
Diso ndray anefa ra zany no iainana
Mananatra ny hendry aho raha sitrakao de avelao
Hilaza ny ao am-po sy saina na mangidy na mamy ny miaina
Tazoninao ny soa ...

# Posté le vendredi 10 octobre 2008 13:01

Modifié le vendredi 10 octobre 2008 13:17

« Article précédent : ALEO ALOHA

Article suivant : ... »